Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Fitsinjaram-pahefana kitoatoa

Mampandainga ny fampanantenan’ny fitondram-panjakana ny fitsinjaram-pahefana tena izy lazaina fa hapetraka eto Madagasikara. Amin’ny lafy maro mantsy dia tsy voahaja mihitsy ity sehatra iray ity. Any an-tampony, izany hoe ao amin’ny fitondrana foibe mihitsy dia efa misy lesoka goavana sy fahotana mahafaty. Tsy mbola fanao hatramin’izay mantsy izany hoe akambana ny minisiteran’ny Atitany sy ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana. Zavatra roa samihafa mihitsy ireo ary tsy tokony hakambana velively. Ny Atitany mantsy dia misahana ny fanapariaham-pahefana, izany hoe mametraka solontenam-panjakana, olom-boafidy hitantana ny raharaha sy hanara-maso ny fiainan’ny vahoaka ifotony. Ny Fitsinjaram-pahefana kosa dia fialan’ny fitondrana foibe amin’ny fitantanana ka anomezana fahefana sy fahaleovan-tena amin’ny ampahany ny olona eny ifotony amin’ny alalan’ny fifidianana ben’ny tanàna sy lehiben’ny faritra ary lehiben’ny faritany. Hatreto aloha dia tsy izay no misy satria nakambana ny minisitera roa tonta ary raha ny teti-panorina no jerena dia ny hifehezana ny vahoaka ifotony no anton’izany. Tamin’ny fiandohan’ny repoblika fahefatra dia ny minisitry ny Atitany ihany no miandraikitra ny fitsinjaram-pahefana fa ankehitriny kosa dia ny praiminisitra mihitsy no misahana azy. Raha ireo rehetra ireo no jerena dia tsy misy izany fitsinjaram-pahefana tena izy izany eto Madagasikara. Ny praiminisitra rahateo tsy manana fotoana hisahanana izany satria marobe ny andraikitra tsy maintsy sahaniny eto amin’ny firenena. Farany teo izao dia ny minisitry ny raharaham-bahiny mihitsy no nijoro ho mpanome toro-hevitra ireo ben’ny tanàna sy depiote mba hahay hanararaotra ny fiaraha-miasa amin’ny mpamatsy vola. Vao mainka zava-doza satria lasa tafiditra amin’ny asan’ny minisiteran’ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana indray ny raharaham-bahiny. Zava-doza satria minisitera roa tena mifanipaka ireo. Ny iray manao izay hanatsarana ny fifandraisana ara-diplaomatika, izany hoe ny sehatra iraisam-pirenena, ny iray kosa natao hiaro sy hanamafy ny fiandrianam-pirenena sy ny firaisankinam-pirenena.

Raha ny fomba fanao mantsy no jerena dia na mitokana ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana na miaraka amin’ny Fanajariana ny tany. Sarotra ho an’ny mpitondra ankehitriny anefa ny hanatanteraka io satria ny Fanajariana ny tany dia eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika. Raha hatokana kosa ny Fitsinjaram-pahefana dia ho sarotra ny hifehy ireo kaominina an-drenivohitra izay efa mivondrona amin’izao fotoana izao.

Ankoatra ireo dia resa-be fotsiny ny fametrahana io fitsinjaram-pahefana tena izy io satria tsy mba mitana ny teniny sy manatanteraka izany ara-potoana ny fitondram-panjakana. Nampanantenaina izao fa ho vita mialohan’ny faran’ny taona 2014 ny fifidianana ben’ny tanàna nefa herin-taona taty aoriana vao tontosa. Feno tsy fahatomombanana ihany koa ilay fifidianana ka sady maro no tsy nanaiky ny vokatra no hatramin’izao mbola misy ben’ny tanàna tsy voapetraka amin’ny toerany. Nilaza indray ny fitondrana avy eo fa ho vitaina ny volana jolay ho avy izao ny fifidianana lehiben’ny faritra nefa odian’izy ireo fanina sy tsy resahina izany ankehitriny. Izany hoe tsy laharam-pahamehana. Ankoatra ireo dia mbola any ankibon’ny omby araka ny fomba fiteny ny fifidianana lehiben’ny faritany ary lasa olom-boatendry, izany hoe ao anatin’ny fanapariaham-pahefana fa tsy ny fitsinjaram-pahefana ny sefo fokontany. Ny tena mamohehitra aza dia betsaka amin’ireo minisitra sy tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny fitondram-panjakana no tsy mahay manavaka akory ny antsoina hoe fitsinjaram-pahefana sy fanapariaham-pahefana rehefa mikabary amin’ny fomba ofisialy.

Tsy handroso izany ity firenena ity raha toa ka mbola misy fomba fiasa mandringa toy izany asehon’ny mpitondra. Tsy vitan’ny fitapitaka sy ny fampanantenana poakaty ny fandresen-dahatra ny vahoaka hanohana ny mpitondra mba tsy hozongozonin’ireo mpanejika.

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre