Fankalazana fetim-pirenena – Nozarana harendrina ireo zaza sahirana
Mifanindra an-dalana ny fankalazana ny fetim-pirenena sy ny iray volan’ny ankizy ka manararaotra ny maro mampifaly ny kilonga malagasy rehetra. Toy ny ankizy rehetra dia manana zo hifety sy hankalaza ny fetim-pirenena ihany koa ireo zaza sahirana. Manoloana izany indrindra, notolorana harendrina vita malagasy ireo zaza sahirana ara-pivelomana, eny Ambohimahitsy, ny sabotsy lasa teo. Zaza 50 isa eo ho eo no nahazo tombontsoa tamin’ity asa fanasoavana ny mpiara-belona ity. Fetin’ny ankizy rahateo ity volana ity ka mahatsiaro ho manana adidy hampifaly azy ireo ny fikambanana Tafita, izay miorina eny Ambohimahitsy amin’ny alalan’ny tetikasa « Bénévolat à Madagascar et Ainga vaovaon’ny Malagasy ». « Amin’ny mahasahirana ireo ray aman-dreny dia betsaka ireo tsy mieritreritra ny hividy harendrina. Ny vidim-piainana koa miakatra hatrany. Iny harendrina nozaraina iny no hahafahan’ireo ankizy mba mifaly tahaka ny zaza malagasy rehetra mandritra ny fety ary zon’izy ireo ny mifety », hoy ny tompon’andraikitra iray ao amin’ny tetikasa « Bénévolat à Madagascar et Ainga vaovaon’ny Malagasy ».
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







