Vous êtes ici :

Jeudi 18 Décembre 2025

ombre

Mandritsara – Lehilahy hita faty nifatotra teo amoron-dalana

Mihen-danja ny soatoavina Malagasy. Voaporofo amin’ny tranga miseho isan’andro eto amin’ny firenena izany, toy izay nihatra tamin’ny lehilahy iray 41 taona tany amin’ny fokontany Ambalaben’Ifasina, kaominina Marotandrano, distrikan’i Mandritsara, ny alahady 19 jona, tamin’ny 1ora tolakandro. Teo amoron-dalana miala 3km no nahitan’ny olona iray sendra nandalo ny fatiny. Niantso an-tariby avy hatrany ny zandary izy. Nidina teny an-toerana ireto farany nanao ny fizahana ka tsikaritra fa maty nisy namono ilay lehilahy. Hita mantsy fa toro ny taolam-bazany havanana, voadidin’ny antsy ny saokany, nahitana mangana ihany koa ny tratrany ary mifatotra tady ny tongony sy ny lamosiny. Mbola tsy fantatra kosa izay nahavanon-doza hatreto. Marihina fa tsy misy dokotera tany an-toerana ka natolotra ny fianakaviany avy hatrany ny razana taorian’ny fitsirihina nataon’ny mpitandro filaminana. Misokatra ny fanadihadiana.

L.N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre