Vous êtes ici :

Jeudi 18 Décembre 2025

ombre

Ambilobe – Fitakiana trosa niafara tamin’ny fanambanana basy

Ankehitriny, « aleo very tsikalakalam-pihavanana toy izay very tsikalakalam-bola ». Very ny hasin’ny fihavanana raha ity tranga tany amin’ny distrikan’Ambolobe ity no dinihina. Natahotra mafy tokoa ny lehilahy iray  tany Ambilobe, rehefa nambanan’ny lehilahy iray hafa tamin’ny basy. Fitakiana trosa no fantatra fa nahatonga ny herisetra. Ny alatsinainy 20 jona no nitrangan’izany, tany Sirama. Araka ny loharanom-baovao, mpiasan’ny Sirama iray no nandeha nitaky ny volany tamin’ny mpiara-miasa aminy tamin’io fotoana io. Nilaza ho mbola tsy nanana ilay mpindrana ka saika notifirin’ilay mpampindrana avy hatrany. Soa fa hitan’ny fokonolona teo amin’ny manodidina fa raha tsy izany dia saika ratsy ny manja ilay voalohany.

Nalain’ireo fokonolona nanatrika ny disadisa avy eo ny basy. Taorian’ny fakana ny basiny anefa lasa niantso ny namany tany Ambodibonara any amin’ny Sirama Ambilobe hatrany izy mba hanafika ilay mpindrana. Nampandre ny zandary ao amin’ny borigady Sirama avy hatrany kosa ny fokonolona mba hisorohana ny loza mety hiseho. Nandefa mpitandro filaminana hanampy avy eo ny kaompania Ambilobe nijery akaiky ny raharaha. Nandray fepetra ihany koa ny manamboninahitra niaraka tamin’ny fianakavian’ilay lehilahy saika hitifitra mba handaminana haingana ny disadisa. Efa milamina ny toe-draharaha amin’izao fotoana izao.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre