Vous êtes ici :

Jeudi 18 Décembre 2025

ombre

Tetikasa Casef – Fampitomboana ny vola miditra amin’ny tantsaha

Mahita ireo olana iainan’ny tantsaha malagasy sy ny mahakasika ny fambolena ny mpamatsy vola. Nanome vola 53 tapitrisa dolara na 160 miliara Ariary ho an’ity sehatra ity ny Banky iraisam-pirenena. Famatsiam-bola ho an’ny tetikasa Casef (Croissance agricole et sécurisation foncière), atao indrindra hanosehana ny tantsaha hampitombo ny vokatra sy hivarotra izany any ivelany, miaraka amin’ny fiarovana ny fananan-tany ho antoka ho azy ireo sy ho an’izay hampiasa vola amin’ity sehatra ity. Tsy takona afenina ny karazam-bokatra azo ampitomboina, tsy ho an’ny tsena eto an-toerana ihany fa ho an’ny tsena any ivelany koa. Miainga avy amin’io Casef io ihany ny hanampiana ny tantsaha mba hahita famatsiam-bola azo antoka, hamolavolany tetikasa maharitra sy lavitra ezaka. Manahirana ny tantsaha, hatramin’izao, ny mahita famatsiam-bola hoentina hanatsarana ny asa. Betsaka amin’izy ireo ny mahalala ny tokony hatao amin’ny fanavaozana ny masomboly, fikojakojana ny tany, fampiasana fitaovana ilaina ho an’ny fambolena, sns. Saingy ny vola hoenti-manao izany no tsy misy na sarotra ny mahazo azy na eo aza ireo sampana mpamatsy vola tonga any ambanivohitra. Tanàna miisa 5 eto Madagasikara no iasan’ny tetikasa Casef : Antananarivo, Antsirabe, Taolagnaro, Fenoarivo-Atsinanana ary Toamasina. Mahakasika izany indrindra, notanterahina, omaly 21 jona tany Fenoarivo-Atsinanana ny atrikasa iraisam-paritra momba ny tetikasa Casef ary naneho ny fahavonany hifanome tanana amin’izany ny lehiben’ny faritra Analanjirofo, Ramaroson Jacques. Seha-pamokarana telo any amin’iny faritra iny kosa no iasan’ny Casef ka isan’izany ny Jirofo, letisia ary ireo « épices ».

L.N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre