Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Anosibe-Tsena – Jiolahy nipitika avy eny ambony Golf

Olona iray nitondra fiara marika Golf no saika niharan’ny fanendahana, ny alahady hariva tamin’ny 7ora sy sasany, teny Anosibe-Tsena. Andiana tovolahy maromaro no nisakana azy teo amin’ny arabe, tamin’io fotoana io. Nilan’ireo tovolahy vaniny izy ary tonga saina fa jiolahy ireto eo alohany. Tsy nikoropaka izy fa nanohy avy hatrany ny diany. Tampoka! Niherika tany aoriana izy.  Gaga ny tenany fa efa tafakatra teo ambony tafon’ny fiara ny lehilahy iray, izay sady namely mafy ny fitaratra no nikasa hamaky izany ihany koa. Nampiakatra ny hafainganam-pandehany no nataony :  « Vao nahita azy teo ambony tafo aho dia nentiko mafy be ny fiara izay nahatratra 80 hatramin’ny 100km isan’ora ny hafainganam-pandeha. Nitsahiko tampoka ny hisatra ary nipitika lavitra dia lavitra ilay jiolahy. Saika mbola hitsahiko fa tafantsangana vetivety teo izy », hoy izy nitantara ny  tranga nisy. Vokany, naratra mafy ilay olon-dratsy. Vaky mihitsy ny lohany ary raparapa be ny tarehiny araka ny loharanom-baovao voaray. « Tena mahamay ny tanàna fa samia miaro ny tenany. Aza mijanona raha misy manakana sy manao mody miampita ela be fa tsy kely lalana ny mpanao ratsy », hoy ny hafatra avy amin’ity mpamily ity.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre