Andapa – Mpandraharaha lavanila naratra voatafika
Mpandraharaha lavanila iray indray no lasibatra ny fanafihana mitam-piadiana, ny zoma 17 jona teo, tany Andapa. Toerana antsoina hoe Analambiliha, fokontany Ambodisatrana, kaominina Ambodivaina no nidiran’ireo jiolahy maromaro an-keriny. Vantany vao tafiditra tao ireo olon-dratsy dia nokapain’izy ireo ny antsy ny saoka sy ny felatanan’ilay mpandraharaha. Vokany, naratra mafy ilay tompon-trano ary lasa ny lavanila manta milanja 50kg sy basy kalibra 16 marika Simplex laharana 318498. Nidina teny an-toerana nisy ny fanafihana avy hatrany ny mpitandro filaminana rehefa nampandrenesina ny zava-misy, nanao ny famotorana. Ahiana ho ny zanaky ny tompon-trano ihany no nahavanona ny loza. Mitohy ny fanadihadiana.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







