Vohemar – Zazalahy kely maty tsy tra-drano voadonan’ny taksiborosy
Zazalahy kely iray 8 taona no namoy ny ainy, tany amin’ny lalam-pirenana Rn5a, ny talata 21 jona, tamin’ny 4ora hariva. Io no vokatry ny lozam-pifamoivoizana nateraky ny fandehanana mafy nataon’ny fiara taksiborosy iray marika Hiunday manao zotra mampitohy an’i Vohemar sy Sambava, tany Ambodipo, fokontany Andalamahitsy, kaominina Antsirabe Avaratra. Vaky nandositra ilay mpamily vao nahita fa tsy avotra intsony ny ain’ilay zaza satria natahotra fitsaram-bahoaka. Nangataka toro-marika tamin’ny mpitandro filaminana kosa izy rehefa tonga tany amin’ny barazin’ny zandary, tany Anosiarina Sambava. Nalefa namonjy ny borigady Sambava izy. Taorian’ny fanadihadiana natao taminy dia nanome baiko ny komandan’ny vondrona any an-toerana fa halefa any Antalaha ilay mpamily ka zandary roa no manaraka azy. Mitohy ny fanadihadiana.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







