Fablab Mamiratra – Misokatra ho an’ny tanora rehetra
Nampahafantarina ny talata lasa teo, teny Andrainarivo fa misokatra ho an’ny tanora rehetra ny « Fablab Mamiratra », raha natokana ho an’ireo ankizy tezaina ao amin’ny « Sos Villages d’enfants » tany am-piandohana. Ny fablab izay fampianarana nomerika miorina eny amin’ny Sos villages d’enfants ary vatsian’ny Orange fitaovana amin’ny alalan’ny fikambanana Orange solidarité. Fitaovana manaraka ny teknolojia maoderina miisa 6 no ao anatin’ny « Fablab Mamiratra » izay ahafahana mamorona asa maro. Hita ao anatin’izany ny fitaovana fandrafetana miaraka amin’ny solosaina, ny « imprimante » mamoaka sary mivaingana. Ny tsy fahafantaran’ny olona ny sehatrasa mifanaraka amin’ny teknolojia maoderina no antony nanokafana ity ivon-toerana fampianarana nomerika ity. « Mbola betsaka ireo tanora no tsy mahafantatra ny sehatrasa mifandraika amin’ny teknolojia maoderina ary antony nanokafana ity toerana ity », hoy i Randriambeloma Josie, filohan’ny Orange solidarité. Marihina fa firenena 51 isa maneran-tany no manana io Fablab io ary faharoa aty Afrika ny « Fablab Mamiratra » eny amin’ny Sos Villages d’enfants Andrainarivo.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







