Vous êtes ici :

Samedi 04 Mai 2024

ombre

Lozam-pifamoivoizana – Vehivavy nitondra môtô nosokirina tao ambany fiara

Saika ratsy ny fiafaran’ny vehivavy iray nitondra kodiaran-droa tany Toamasina, omaly tamin’ny 11ora tany ho any, manoloana ny Boa eny Augagneur. Tsy nandeha mafy fa fahasimban’ny « accélerateur » an’ilay môtô nentiny no voalaza fa nahatonga ny loza. Vokany, nianjera avy eny ambonin’izany fitaovana izany izy ka nipitika tao ambany fiara. Sendra nandalo ilay vehivavy ka torana tsy nahatsiaro tena. Voatery nosokirina nanala azy tao fa soa fa tsy nandeha mafy ilay fiara. Ny tongony no voalaza fa tena voa mafy ary ny vavany izay nivoaka ra be mihitsy.

Vao nahita ny fitrangan’ny loza ny manodidina dia nifandrimbona nanavotra ilay niharam-boina ka nalaky voavonjy ihany izy. Nisy mpitandro filaminana ihany koa teo akaiky teo ka nentina nihazo ny hopitaly avy hatrany ilay vehivavy. Hatramin’ny tompon’ny fiara nidona taminy aza nandray ny andraikiny manoloana ity loza ity, araka ny vaovao voangona.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre