Vous êtes ici :

Samedi 18 Mai 2024

ombre

Fitsaram-bahoaka – Tovolahy iray naratra mafy

Tovolahy iray sahabo ho 31 taona eo ho eo indray no nataon’ny fokonolona mahamay. Tany Ivoloina, ao Toamasina no nisehoan’izany omaly antoandro, tamin’ny 12ora. Tratra ambodiomby nangalatra finday ka notazomin’ny lasibatra tamin’ny vozon’ny akanjony ary niantso vonjeo izy avy eo. Vetivety dia nitangorona ny olona ary nampihatra ny fitsaram-bahoaka avy hatrany. Tsy namelan’ny mponina mihitsy raha tsy nahazo ny sahaza azy izy. Nandeha avokoa mantsy ny daka, daroka, totohondry hatramin’ny vely hazo. Ary izay nahita dia namely avokoa ka tsy afaka nanohitra intsony ilay mpangalatra. Nijininika ny rà, vaky ny lohany, hany ka, torana tsy nahatsiaro tena izy. Tamin’izay fotoana izay vao niantsoan’ny fokonolona mpitandro filaminana naka azy teo. Naverina tamin’ny tompony kosa ilay finday avy eo. Efa eo ampelatanan’ny polisy ny raharaha.

L.N

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre