Toamasina – Maty ny iray tamin’ireo zazalahy nisy nandoro
Na dia efa nanao izay ho afany aza ireo mpitsabo sy ireo olona maro be nanolotra fanampiana ho fitsaboana an’i Jean Daniella, zazalahy 14 taona kilan’ny afo, tany Toamasina dia tsy tana intsony ny ainy iray volana mahery kely aty aoriana. Raha tsiahivina dia may nisy nandoro tao an-tranony izy sy ny zandriny 12 taona, ny alin’ny 20 hifoha 21 mey lasa teo, tany Ambalamanasy, Toamasina. Nandeha namonjy alim-bavaka ny ray aman-drenin’izy ireo tamin’io fotoana io fa izy roalahy irery no tao an-trano. Nony nigadona anefa ny tamin’ny 11ora dia nisy nanipy vain’afo avy eny ambony tafo izay vita tamin’ny ravinala.
Vetivety noho izany dia niparitaka ny lelafo ka nandoro azy mirahalahy. Tao anaty torimaso tanteraka ireo ankizy tamin’io fotoana io no taitra ilay zandrikely rehefa naheno fofona hafahafa sady nahamay. Tafatsoaka vetivety ity farany ka niantso vonjeo teo amin’ny manodidina. Ireo fokonolona kosa avy eo nanavotra an’i Jean Daniella tao. Raha tsiahivina hatrany dia efa nahiana ny fahasalamany tamin’izay fotoana izay satria hatramin’ny masony sy ny molony, may avokoa. Dia izao izy nindaosin’ny fahafatesana ny alin’ny 22 jona teo izao, raha toa ka mbola manaraka fitsaboana hatrany ny zandriny.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







