Vous êtes ici :

Vendredi 03 Mai 2024

ombre

Asa fanendahana – Efa-dahy no indray voasambotra

Betsaka ny fitarainana voarain’ny polisy amin’izao ankatoky ny fetin’ny Fahaleovantena izao, mikasika ny asa fanendahana sy harom-paosy eny amin’ny faritra Analakely sy ny manodidina. Manoloana izany dia nandray ny andraikiny avy hatrany ny polisy eny amin’ny boriborintany voalohany eny Analakely ka nandefa mpitandro filaminana manao fanamiana sivily. Vokany, jiolahy miisa 4 efa tena ikoizana amin’ny fanendahana sy harom-paosy no tra-tehaka teo am-panaovana ny asa ratsiny, teny Analakely sy Soarano, ny 21 sy 22 jona teo. Nosamborina avy hatrany ary nentina nihazo ny biraon’ny boriborintany voalohany. Tamin’ny fanadihadiana natao azy ireo no nahalalana fa efa tena ela izy ireo no nanao ity asa ratsy ity ary efa mpamerin-keloka avokoa. Araka ny vaovao avy amin’ny polisy dia efa nigadra matetika teny Antanimora noho io asa ratsy io hatrany izy rehetra ireo. Mila mailo noho izany ireo mpiantsena eny Tsaralalana, Analakely, Soarano amin’izao fotoana izao, indrindra ireo teratany vahiny sy ny mitaiza kely satria amin’izao betsaka mpivezivezy izao no tena fanararaotan’ny mpanao asa ratsy, hoy hatrany ireo mpanendaka, nandritra ny fanadihadiana natao azy ireo. Natolotra ny Fampanoavana omaly ny raharaha.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre