Vous êtes ici :

Lundi 15 Décembre 2025

ombre

Fito taona tsy an-kiala !

25 jona 2009 – 25 jona 2016! Feno fito taona katroka amin’ity andro ity ny nivoahan’ny gazety Madagascar MATIN voalohany. Fito : isa masina sady isa feno ho an’ny malagasy. Fito taona izay nisedrana ny tranga rehetra teto amin’ny firenena ary nahakasika manokana ny mpanao gazety ihany koa. Tao anatin’ny sarotra satria tamin’ny fiandohan’ny tetezamita ny gazety no nivoaka nefa afaka niaritra ny zava-misy rehetra. Nalaza tamin’izany ny hetsiky ny Magro, ny fananganana Governemanta teny amin’ny Carlton, ny fitokonana nataon’ny zandary teny Betongolo, ny fikasana hanongam-panjakana nataon’ny miaramila teny Ivato, ny fiketrehana korontana nataon’ny andian’olona teny Iavoloha, ny fametrahana sy fanapoahana baomba tetsy sy teroa, ary ny resaka Maputo, … fa teo foana i Madagascar MATIN. Anisan’ny gazety niaritra ny mafy indrindra ihany koa satria tao anatin’izay fotoana izay dia nisy tamin’ny mpiasa teto no namoy ny ainy rehefa avy namita iraka tany amin’ny faritany, ny fampidiran’ny Fanjakana am-ponja, nisy koa anefa ireo nanao tohatra fiakarana fotsiny ny gazety ka tsy naharitra ny mena miraviravy fa nahita ny akanga tsara soratra… ary dia nitsipa-doha ny laka-nitana.

Na izany aza, afaka mirehareha ny Madagascar MATIN fa namoaka olona maro izay manana ny toerany eo amin’ny sehatry ny asa fanaovan-gazety sy ny tontolon’ny serasera. Saika misy olona mahay sy tsara hofana avy eto amin’ny MATIN avokoa ny ankamaroan’ireo gazety misy amin’izao fotoana izao. Azo lazaina fa taninketsan’ny asa fanaovan-gazety i Madagascar MATIN ary nitondra ny anjara birikiny amin’ny fanatsarana ity asa ity.  Betsaka rahateo ny vokatra efa azo toy ireo loka marobe tamin’ny fifaninanana amin’ny asa fanaovan-gazety, atokisan’ny olona ihany koa ny Madagascar MATIN ary voantso matetika handray anjara amin’ny hetsika iraisam-pirenena any ivelany.

Mampiavaka ity gazety ity ny tsy fiandaniana na amin’iza na amin’iza. Tsy voabaikon’ny mpanao politika fa manana ny foto-kevitra ijoroany dia ny fitsikerana ny tsy mety amin’ny endriny rehetra. Tsy gazety mpanohitra hatao fitaovana anonganam-panjakana ny Madagascar MATIN ary koa tsy gazetin’ny mpitondra natao hisolelaka sy hipasoka ny Fanjakana fotsiny. Tsy voavidy vola ary tsy azo anaovana kapo-tandroka fa izay marina rehetra dia mivoaka avokoa. Misy dia misy tokoa ny faneriterena sy famingampinganana amin’ny fomba rehetra, izay mitambesatra amin’ity gazety ity nefa tsy mampihetsi-bolomaso anay akory izany. Efa vita sedra i Madagascar MATIN sy ny ekipany ka na inon-kidona na inon-kihatra dia vonona ny hisedra izay zava-mitranga rehetra. Mitandro hatrany ny firaisankina amin’ireo gazety namana sy ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety ary vonona ny hiady ho an’ny tena fametrahana ny fahalalahan’ity asa ity. Teo foana ny ekipan’i Madagascar MATIN tamin’ny hetsika rehetra izay nataon’ny fanaovan-gazety. Tolona iombonana io ka tsy ijerena tavan’olona fa rehefa mahaso ny mpanao gazety dia tohananay avokoa.

Isaorana manokana ianareo mpamaky izay nanohana teny foana ary tsy miovaova fa mividy ity gazety ity isan’andro. Hita any amin’ny fiakaran’ny tahan’ny varotra fa mitombo hatrany ny isan’ny mpamaky. Midika izany fa tafita ny hafatra ary maro ny mpanjifa vaovao liana hijery sy te hahalala ny voasoratra ato anatin’ity gazety ity. Manana ny mampiavaka azy rahateo ny Madagascar MATIN satria ankoatra ny lahatsoratra izay mitatitra vaovao marina sy tsy manaiky ny sivana dia hita ato ihany koa ireo vaovao misongadina iraisam-pirenena sy ny tsara ho fantatra ary ny fialam-boly maro samihafa.

Tsy fahazarana no ividianan’ny olona ny Madagascar MATIN fa hetaheta te hahalala ny zava-misy marina. Mifantoka betsaka amin’ny kalitaon’ny vaovao rahateo ny lahatsoratra rehetra mivoaka eto ary tsy mitatitra ireo rediredy sy tora-po ary ireo tantara valamaty foronin’ireo milaza ho mahafehy ny herin’ny misitery sy ny mirakla. Fito taona nametrahana tantara teto amin’ny firenena ny Madagascar MATIN ary mbola vonona ny hanohy ny tantara amin’ny taona rehetra ho avy!

 

Valohery Rakotobe

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre