Fitaizana zaza kambotin’ny polisim-pirena – Nozaraina fanomezana ireo zaza
Amin’izao ankatoky ny fankalazana ny fetim-pirenena izao dia tonga nanatitra fanomezana ho an’ny zaza kambotin’ny polisim-pirenena ao amin’ny Orphelinat Ambatolampy ny vadin’ireo tompon’andraikitra ambony ao amin’ny ministeran’ny Filaminam-bahoaka, ny alakamisy 23 jona, tamin’ny 12 ora antoandro, izay notarihin’i Barivelo Marie Diana, vadin’ny minisitra. Arendrina, akanjo mafana, kilalao isan-karazany ary indrindra indrindra ireo karazan-tsakafo, toy ny vatomamy, “biscuits” ary zava-pisotro mamy mba hahafahan’ireo ankizy mianoka ao anatin’ny fankalazana ny fetim-pirenena. Tsy ireo vadin’ny tompon’andraikitra ambony ao amin’ny ministeran’ny Filaminam-bahoaka ihany aakory no nahatsiaro ireo zaza fa tonga nanome izay voatsirambin’ny tanany koa ny lehiben’ny fikambanana “Chinese association for halieutic product of Madagascar”, notarihin’i Jiang Li Hui. Akanjo mafana ho an’ireo ankizy amin’izao fiatrehana ny ririnina mamirifiry izao no natolony. Fisaorana sy fankatelemana hatrany no nandraisan’ny filoha mpitantana ity fitaizana zaza kambotin’ny polisim-pirenena ity, ny commissaire divisionnaire de police, Rafanomezantsoa Rodlish noho ny fahatsarovana sy ny fandraisana adidy atao amin’ireo zaza ireo.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







