Miandrivazo – Omby zato very, olona telo maty
Nahery vaika ny fifandonana teo amin’ny zandary sy ny dahalo, tany amin’ny distrikan’i Miandrivazo, ny 23 jona tamin’ny 4ora hariva. Fokonolona roa tamin’ireo mpanara-dia sy dahalo iray no namoy ny ainy nandritra ny fifampitifirana. Izany dia vokatry ny fanafihana nataon’ireo olon-dratsy ny marainan’io tokony ho tamin’ny 5ora, tany Ankotrofotsy. Dahalo miisa 40 nirongo basim-borona roapolo no nangalatra omby zato tamin’io fotoana io. Nirefodrefotra ny poa-basy nentin’ireo mpangalatra nampitahotra ireo lasibatra ka tsy nisy sahy nanohitra izy ireo fa niandry ireo malaso nivoaka ny tanàna vao nampandre ny mpitandro filaminana. Nidina teny an-toerana ireto farany nanao ny fanadihadiana ary niroso tamin’ny fanarahan-dia nampian’ireo fokonolona. Nisy tamin’ireo zandary kosa nanao ny fiambenana tany Ankoranomena ka tsy afa-niala ireo olon-dratsy. Raikitra tamin’izany ny fifandonana izay nahafaty ireo olona telo ireo. Ankoatran’ izy telo ireo dia mpitandro filaminana iray kosa no voatifitra teo amin’ny kibony. Naratra mafy ary nentina nihazo ny tobim-pahasalamana izy.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







