Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Nandeha nijery “podium” – Nidiran’ny jiolahy an-tsokosoko ny trano

Jiolahy roa tsy ampy taona no tra-tehaka ny fokonolona namaky trano, tany Sambava. Ny 21 jona teo, tamin’ny 11ora alina no nisehoan’izany, tany amin’ny fokontany Ambodisatrana I. Lasa nijery fampisehoana an-tsehatra ny tompon-trano ka nopotehan’izy ireo ny fefy mba hahafahana miditra ny trano. Teo am-pamakiana ny varavarana mihitsy izy roalahy no tsikaritry ny olona iray mpifanila vodirindrina ka niantsoan’ity farany vonjeo. Vetivety dia vory ny fokonolona ka noraisim-potsiny izy ireo, izay 17 taona avokoa. Marihina fa mbola tsy nisy zavatra lasa fa tratra teny amin’izy ireo ny basy vita gasy iray sy bala miisa 2. Noentin’ny fokonolona nihazo ny mpitandro filaminana ireo jiolahy ireo ary notazomina ao amin’ny borigady Sambava ilay fitaovam-piadiana sy ireo bala. Efa mandeha ny famotorana.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre