Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Toamasina I – Miverina indray ny ambalavelona

Herinandro vitsy nivoahan’ny Kohen Rivolala ny fonja dia mitady hahazo vahana indray ny ambalavelona raha efa tsy nahitana trangan’izany intsony tao ho ao. Tovovavy telo, 16 sy 17 taona no fantatra fa nihetsika noho ity aretina hafahafa ity, tany amin’ny Ceg Ratsimilaho, any Toamasina I.  Ny 21 jona teo, tamin’ny 7ora sy 36mn hariva no nitrangan’izany tamin’ny fotoana nanaovan’izy ireo fanamafisana taranja na “cours” tao amin’izany Ceg izany. Nanao krizy be sy niteniteny tamin’ny fiteny tsy fantatra izy telo vavy.  Samy torana tsy nahatsiaro tena indray avy eo. Nisahotaka ny iray fianarana  vao nahita izany ka voatery noravana ny fampianarana. Nampiantso ny mpitandro filaminana sy ny mpitsabo kosa ny mpampianatra hanao ny fizahana. Nentina nihazo ny hopitaly be any Toamasina ireo ankizy taorian’izay  ary nampandrenesina ihany koa ireo ray aman-drenin’ny mpianatra voan’ny ambalavelona. Na  miezaka manasitrana anefa ireo mpitsabo dia tsy misy fiovana ny toe-pahasalaman’ireo tovovavy hatramin’izao ka very hevitra tanteraka ny ray aman-drenin’izy ireo. Mitohy ny fikaroham-baovao.

Laurena Nany 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre