Bongan’i Lemanja – Dahalo dimampolo nanakana 4×4
Mitohy hatrany ny tsy fandriam-pahalemana any amin’iny faritra Bongolava iny. Mbola manjakazaka tanteraka ireo dahalo na amin’ny fangalarana omby izany na ihany koa amin’ny fanafihana mitam-piadiana, eny hatramin’ny resaka fanakanan-dalana aza. Fiara 4×4 iray marika Toyota Hilux avy any Ankondromena, nitondra olona efatra no nosakanan’ny dahalo nilanja basim-borona, tany Bongan’i Lemanja, fokontany Ambaravaranala, kaominina Firenena, distrikan’i Tsiroanomandidy, tamin’ny 21 jona, tamin’ny 3ora hariva. Dahalo dimampolo no nilahatra teo amin’ny arabe nanakana ilay fiara, tamin’io fotoana io. Tratran’ny tsy nampoizina sady tsy nisy lalan-kafa haleha ka tsy afaka nandositra ireo lasibatra fa niandry izay higadonany fotsiny sisa. Vokany, lasa ny vola mitentina 400 000 ariary sy ny finday vitsivitsy. Marihina anefa fa tsy nisy ny aina nafoy na naratra fa rehefa nahazo izay notadiaviny ireo dahalo dia lasa avokoa. Nampilaza ny mpitandro filaminana avy hatrany kosa ireo lasibatra fotoana fohy nandaozan’izy ireo ilay toerana. Mitohy ny fikarohana.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







