Vous êtes ici :

Samedi 04 Mai 2024

ombre

Fanadinam-panjakana Cepe – Nahitana fiakarana ny mpiadina any Analanjirofo

Ny 5 jolay ho avy izao no hanatanterahana ny fanadinam-panjakana Cepe manerana ny Nosy. Ho an’ny faritra Analanjirofo manokana dia nahitana fiakarana ny isan’ireo mpiadina. Araka ny atontan’isa voaray, tafakatra 36 451 ireo ankizy nisoratra anarana. Raha ampitahaina tamin’ny taom-pianarana 2014-2015 dia nitombo be izany satria 31 831 ireo niatrika fanadinana tamin’izany  fotoana.

Mifanohitra tanteraka amin’izany kosa ny fanadinam-panjakana Bepc. Nahitana fihenana be ireo kandida nisoratra anarana tamin’ity taom-pianarana 2015-2016 ity. Raha niisa 24 065 ireo mpiadina tamin’izany fotoana izany dia efa 22 006 sisa ireo mpianatra vonona hiatrika . Tsy voafaritra mazava kosa ny antony nampihena ny fahavitrihan’ireo ankizy hanala fanadinana hatreto. Na izany na tsy izany anefa fantatra fa efa vonona avokoa ny fitaovana, izay ilaina rehetra amin’ny fiatrehana izany fanadinana izany any amin’iny faritra Analanjirofo iny. Efa vonona tanteraka ihany koa ny Dren any an-toerana , araka ny fanazavan’ny talem-paritra Fotsy Emicharme Nadège.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre