Vous êtes ici :

Mercredi 17 Décembre 2025

ombre

Fitandroana ny filaminana – Notolorana fanamiana vaovao ny polisy monisipaly

Ho fitandroana ny filaminana sy ho fanatsarana ny asan’ny polisy monisipaly any amin’ny kaominina Fenoarivo-Atsinanana dia polisy miisa 7 no notolorana fanamiana vaova. Tao anatin’ny taona maro niasan’izy ireo dia voalaza fa tsy mba nanana fanamiana manokana izy ireo. Misokajy roa izany, izay natolotry ny ben’ny tanàna any an-toerana, Mananjara Franck Rico. Ny voalohany dia fitafy entina manao ny asa andavanandro, raha fitafy enti-miasa amin’ny lanonana mihaja kosa ny faharoa.  Manomboka izao dia voalaza fa hiasa andro aman’alina amin’izay ireo polisy monisipaly ireo ary hamafisina ny fiaraha-miasa amin’ny polisim-pirenena. Fepetra izay noraisina  mba hitandroana ny filaminana any an-toerana, araka ny fanazavan’i Masondahy Landry, mpanolotsaina teknikan’ny ben’ny tanànan’i Fenoarivo-Atsinanana, ny alakamisy teo, nandritra ny fizarana ireo fanamiana ireo.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre