Toamasina – Tsy nahasakana ny mpanao matso ny orana
Niavaka sy tao anatin’ny fitoniana ary filaminana tanteraka ny fanamarihana ny fetim-pirenena tany Toamasina. Nanomboka ny alin’ny 25 jona izany, nandritra ny fanapoahana afomanga ary ny tontolo andron’ny 26 jona. Tamin’’ity farany dia tsy nahasakana ireo mponina sy ny mpanao matso ny orana nitsitapitapy. Nahatratra 358 ny tafika nandray anjara, izay nahitana ireo mpiasan’ny sampan-draharahan’ny fonja sy ny sampan-draharahan’ny Rano sy ny ala. Miisa 69 kosa ireo mpianatra nandray anjara. Eny hatramin’ireo fikambanana sy orinasa ary antoko pôlitika aza nandray anjara mavitrika tamin’izany matso lehibe izany. Isan’izany ny movansy Ravalomanana, Leader Fanilo, Mts ; Fivoy, Fimami, Hvm, Emma, Tgv, Tanora Miaraka amin’ny Prezida Rajoelina, Pro Anr, Cs Anr. Niavaka tanteraka ny an’ireo mpiara-dia amin’ny filoha Rajoelina Andrinirina. Nirentirenty ny loko volom-boasary, izay manaporofo fa mbola manana mpanara-dia maro any Toamasina ity filohan’ny tetezamita ity.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







