Ambinanibe Manerinerina – Adolantsento 14 taona lasa takalon’aina
Nataon’ny dahalo takalon’aina ny zazalahy iray 14 taona tany Ambinanibe Manerinerina ny sasakalin’ny 25 jona lasa teo. Zanaky ny tompon’omby notafihin’ireo mpangalatra ihany ity nentin’izy ireo an-keriny ity. Araka ny tatitry ny zandary dia nisy fanafihana tao an-tanàna tamin’io alina io ka omby miisa 20 no norobain’ireo dahalo tamin’izany. Mba hampitahorana ny vahoaka tsy hanenjika anefa dia nentin’izy ireo hatao takalon’aina ilay ankizy. Tsy nilefitra tamin’izany ny fokonolona sy ny zandary fa nanao ny fanarahan-dia ihany ary vaky nandositra niaraka tamin’ny omby miisa 3 ireo dahalo fa ilay zaza sy ny omby miisa 17 kosa navelany teo ary efa tafaverina amin’ny tompony. Ilay ankizy kosa dia efa nalain’ny ray aman-dreniny. Teny an-dalana hiverina dia nahita omby miisa 14 hafa izay tsy mazava ny fokonolona sy ny zandary. Nentina nody ireo omby ireo ary nampidirina amin’ny toerana manokana mandra-piandry izay tena tompony haka azy.
Dom
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







