Vous êtes ici :

Dimanche 19 Mai 2024

ombre

Analavory – Jiolahy valo mitam-piadina mampihorohoro ny mponina

Misy andian-jiolahy vaovao ahitana mpikambana miisa 8 mampihorohoro ny mponina any Analavory Miarinarivo. Mirongo fiadiana izy ireo satria mitondra basy lava roa sy sabatra ary vy fanapitsohana varavarana. Ny faran’ny herinandro lasa teo izao dia mpivarotra enta-madinika iray no nidiran’ireto olon-dratsy ireto an-keriny tao an-tranony zay toeram-pivarotana ihany. Avy hatrany dia novakian’ireo mpanafika ny varavarana ka nambanany basy avy hatrany ny olona tao an-trano ary tsy nisy sahy nihetsika. Nanaiky mora ny baiko sy nanome izay nangatahan’ireo 8 lahy vonona ny hitifitra izay manao fihetsika hafahafa ny tompon-trano. Lasan’ireo mpanafika tamin’izany ny lelavola mitentina efatra hetsy ariary, ordinatera miisa roa, taratsy familiana fiara, ary enta-madinika isan-karazany. Nitsoaka nianavaratra nihazo an’Alatsinainikely ny dian’ireo mpangalatra ary efa nampandrenesina ny mpitandro filaminana saingy tsy nisy kosa ny aina nafoy. Mihorohoro noho izany ny mponina any an-toerana satria mbola miriaria an-kalalahana ity andian-jiolahy mpanafika mirongo fiadiana ity. Tena mihantsy ny mpitandro filaminana ihany koa satria tena tao anatin’ny fotoana nanambarana fa hamafisina ny fiarovana ny vahoaka sy ny fanaraha-maso ny fiara ary ny fivezivezen’ny olona no nanaovan’izy ireo ny asa ratsiny.

Dom

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre