Andriampamaky – Fasana telo vaky tao anatin’ny alina iray
Fasana miisa telo no indray nisy namaky tao anatin’ny alina iray monja tao amin’ny fokontany Ambohijanaka, kaominina Andriampamaky distrikan’i Manjakandriana. Fasana iray ihany anefa no nakan’ireo mpanafika taolan-dava miisa 18. Ny roa ambiny kosa dia nakorontan’izy ireo fotsiny ny taolam-balo nilevina tao. Karazan’ny nitady firavaka sy zava-tsarobidy hafa no nalainy tao fa tsy taolana. Naka alika mpitsongo dia ihany ny tompom-pasana vaky saingy tsy nisy tratra ireo olon-dratsy. Efa nampahafantarina ary nijery ifotony ny zava-misy ny tompon’andriakitra rehetra ary misokatra ny fanadihadiana. Marihina fa anisan’ny toerana vaovao lasibatry ny mpamaky fasana ny eny Andriampamaky tato ho ato. Mitety an’i Madagasikara mihitsy ireo mpanao ity asa ratsy ity nefa sarotra ho an’ny mpitandro filaminana ny manenjika azy ireo. Araka ny fantatra dia ampiasaina amin’ny fanondranana zava-mahadomelina iraisam-pirenena ny taolam-paty.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







