Fanafihana tao Betainomby – Lasan’ireo jiolahy hatramin’ny skotera
Basy poleta sy hazo fikapohana ary antsy no nentin’ny jiolahy miisa telo nanafihana ny tranon’ny mpampianatra iray ao Betainomby – Toamasina ny faramparan’ny herinandro lasa teo. Norobain’izy ireo tamin’izany ny skotera iray, ordinatera miisa telo, bateria, ny lektera ary ny sakaosy misy antontan-taratsy maro. Tsy nisy tratra ireo mpangalatra satria somary nihanahana ihany ireo voatafika araka ny fampitam-baovao voaray. Ny ampitso tamin’ny 4 ora tolakandro mantsy izy ireo vao nampandre ny mpitandro filaminana sy nanao fanambara ny zavatra very. Efa tsy hita popoka intsony ny nanjavonan’ireo mpanafika ary sarotra ho an’ny polisy ny fanadihadiana satria kely ireo porofo entina hitadiavana ireo olon-dratsy.
Raha tena mitombina ity fanafihana izay niandry ela vao nampahafantarina ny mpitandro filaminana ity dia manaporofo fa tsy mbola milamina ny ao an-drenivohitr’i Toamasina ao. Maromaro ihany mantsy izay fanafihana mitam-piadiana nitranga tato ho ato izay. Tsy ny tompon-tanàna ihany no lasibatra fa afa-bela ihany koa ireo mpandalo. Arakaraka ny tsy mampilamina ny fifandraisan’ny mpitantana sy ny mpiasa sasany ao amin’ny kaominin’i Toamasina renivohitra no toa vao mainka mampirongatra ny tsy fandriam-pahalemana araka ny filazan’ny mponina any an-toerana. Tsiahivina fa efa lasa zary mahazatra ny eo anivon’ity kaominina ity ny mifamono imasom-bahoaka noho ny fomba fijery tsy mitovy.
Dom
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







