Vous êtes ici :

Samedi 18 Mai 2024

ombre

Ambatomainty Tsaratanàna – Tafaverina amin’ny tompony ny omby rehetra

Omby miisa 7 no lasan’ireo dahalo tamin’ny fanafihana tao Ambatomainty Tsaratanàna ny faran’ny herinandro lasa teo. Olona iray ihany no tompon’ireo biby ireo ary nampandre ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana avy hatrany izy vantany vao lasa ireo mpangalatra. Raikitra ny fanenjehana sy ny fanarahan-dia izay niarahan’ny fokonolona sy ny zandary ka nilaozan’ireo dahalo ny omby rehetra ary tafaverina tamin’ny tompony. Efatra mirahalahy fotsiny ireo mpangalatr’omby nanatontosa ny fanafihana. Io no heverin’ny fokonolona fa antony tsy nahasahian’izy ireo nifanandrina tamin’ny mpanara-dia. Sady tsy nisy naratra no tsy namoizana aina ity tranga iray ity ary nahavelom-bolo ny fokonolona ny vokatry ny firaisankina nisy teo amin’izy ireo sy ny mpitandro filaminana any an-toerana. Mbola mitohy ny fikarohana satria tsy nisy voasambotra ireo malaso.

Dom

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre