Politika – Mifanipaka ny Solide sy Ambalambahoaka
Mifanipaka tanteraka ny fomba fijerin’ny antoko Solide sy ny fikambanana Ambalambahoaka mahakasika ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana izao. Andaniny ny Solide dia tsy azo anazavana mihitsy fa mifikitra amin’ny firehan-kevitra mivoy ny tsy maintsy hialan’ny filoham-pirenena. Ho an’ity antoko mpanohitra ity dia tsy maintsy miala ny filoha ary fomba telo no afaka hanatanterahana izany: voalohany ny fametraham-pialana, faharoa ny fisipaham-pitokisana ataon’ny parlemantera, ary ny fahatelo dia ny fanonganam-panjakana an-dalambe amin’ny alalan’ny hetsi-bahoaka.
Ankilany kosa ny fikambana Ambalambahoaka dia manizingizina fa tsy maintsy mamita hatramin’ny farany ny fotoam-pitondrany amin’ny taona 2018 ny filoham-pirenena. Maro hoy ity fikambanan’ny vahoaka madinika avy eny ambany tanàna ity ny ezaka efa vita sy ny asa fampandrosoana efa miainga ka tsy maintsy tohizana sy vitaina hatramin’ny farany. Anisan’ny maharesy lahatra ny Ambalambahoaka ireo vokatra faramparany azon’ny fitondram-panjakana toy ny fialan’ny Air Madagascar tao anatin’ny lisitr’ireo fiaramanidina tsy mahazo mandalo ny faritra habakabaka eropeanina, ny fankatoavan’ny tahirim-bola iraisam-pirenena ny famatsiam-bola an-jatony tapitrisa dolara ary ny fitokanana fotodrafitr’asa maromaro tao anatin’ity volana jona ity. Midika ireo fanehoan-kevitry ny Solide sy Ambalambahoaka izao fa samy manetsika ny mpanohana azy ny mpanohitra sy ny mpitondra Fanjakana mba hahafahana miaro ny tombontsoan’izy ireo.
Dom
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







