Vous êtes ici :

Samedi 21 Septembre 2024

ombre

Ikalamavony – 3 maty, betsaka ireo naratra tamin’ny 26 jona

Tsy teto Antananarivo irery ihany no nisian’ny herisetra sy rà latsaka ary aina nafoy nandritra ny fankalazana ny fetim-pirenena fa tamin’ny faritra maro manerana ny Nosy mihitsy. Tany Ikalamavony izao dia olona telo no fantatra fa namoy ny ainy noho ny herisetra sy hetraketraka tamin’ny 25 sy 26 jona. Zazalahy iray izay vao 16 taona monja no hita faty teny an-tanimbary ny marainan’ny 26 jona. Ratra miendrika dian’antsy roa no hita teo amin’ny vata-mangatsikany ary tsy nisy nahalala izay nanjo azy ny rehetra. Mbola mpianatra ao amin’ny kilasy fahatelo anefa ity zazalahy ity ary efa niomana ny hikatroka ny fanadinana Bepc. Nisy fatin-dehilahy roa hafa ihany koa hita tamin’ny toerana roa samihafa tany an-toerana tamin’iny faran’ny herinandro iny saingy tsy nahazoana an-tsimpiriham-baovao mikasika izany. Fantatra fa maro ihany koa ireo olona naratra vokatry ny adiady sy fifanosehana tamin’ny fampisehoana an-dampihazo maimaimpoana tany an-toerana ka voatery nalefa notsaboina tany amin’ny hopitalin’i Fianarantsoa.

 

Simba ny toe-tsain’ny mpijery fety

Ilay fomba fisainan’ireo malagasy sasany mpijery lanonana mihitsy no efa simba satria isaka ny misy fampisehoana dia ahitana ady saritaka sy tsatok’antsy ary vono olona hatrany. Vao tsy ela akory izay ny fampisehoan’ny mpanakanto Lôla no namoizana ain’olona iray voatsatok’antsy tany akaikin’Anstirabe tany. Eto Antananarivo ihany koa dia efa mampitaraina ny mponina ny afitsok’ireo mpijery fety ao Antsonjombe izay manakorontana sy manimba fananan’olona rehefa mirava ny lanonana. Malalaka rahateo ny fidiran’ny toaka sy rongony ao amin’ity toerana fanaovana lanonana ity ary hita mazava fa manararaotra mifangaro amin’ny mpanatrika ireo fety « mafana » ireo mpanendaka sy tontakely rehetra eto an-drenivohitra. Matetika dia tsy hita ny mpitandro filaminana amin’ny korontana toy ireny.

Dom

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre