Vous êtes ici :

Mardi 30 Avril 2024

ombre

Mpampianatra mpamarina an-kady!

Mirotsaka amin’ny asa fampihorohoroana ihany koa ny mpampianatra mpiasam-panjakana hatramin’ny fiandohan’ny herinandro. Fampihorohoroana ara-moraly no azo iantsoana azy satria mety hiteraka fikorontanana amin’ny fizotran’ny fanadinana Cepe izay hatao amin’ny herinandro ho avy io. Mihorohoro tanteraka, noho izany, ny ray aman-dreny sy ny mpianatra sao sanatria tsy ho raikitra ny fanadinana amin’ny toerana sasany. Tsy te hahalala izany anefa ireo milaza ho mpanabe matianina fa ny tombontsoa manokana ho azy ireo ihany no ao an-tsainy. Tena fanaovana takalon’aina ny ankizy kely mihitsy ny zava-misy ankehitriny satria hiteraka tsy fifantohana ho azy ireo izany. Efa fanaon’ny mpampianatra malagasy izay noheverina ho mpanabe nefa toa mpitari-bato vilam-bava ny grevy mialohan’ny fanadinana toy izao. Efa niaraha-nahita izany tamin’ny taon-dasa izay nanaovan’ny mpampianatra mpikaroka eny amin’ny oniversite rahom-bava fa hogafian’izy ireo ny fanadinana bakalorea. Mahamenatra raha ny mpanabe natao ho fakan-tahaka sy mampita ny fahaizana amam-pahalalana ary ny fitondran-tena tsara ho an’ireo tanora hoavin’ny firenena no manao toy izany.

Ekena fa kely ny karaman’ny mpampianatra nefa tsy ny mpianatra no nanao izany. Iaraha-mahita mantsy fa ireo zaza avy amin’ny fianakaviana sahirana ara-pivelomana sy ny antonontonony no tena maro an’isa mianatra amin’ny sekolim-panjakana. Ny tokantrano manan-karena tsy hianatra eny amin’ny Epp sy Ceg mihitsy noho ny haratsian’ny kalitaon’ny fampianarana sy ny fanabeazana eny. Maditra sy ratsy taiza ny ankizy eny amin’ny sekolim-panjakana satria tsy mendrika ny mpampianatra azy ireo. Firifiry ry ramose sy madama no tsy tahotra tsy henatra mifoka sigara sy miteniteny foana eo anolon’ny mpianatra izay tokony ho beaziny. Hita ihany koa fa ny akamaroan’ireo mpampianatra mpiasam-panjakana dia ireo ankizy tsy dia nahay tany amin’ny sampam-pianarana nisy azy ka nanao tsolotra mba ho lasa mpampianatra. Mila tonga saina izy ireo satria ny fiainany no efa potika noho ny tsy fahombiazana dia ny zaza tsy manan-tsiny no atao takalon’aina.

Efa ela ihany mantsy ity grevin’ny mpampianatra mpiasam-panjakana ity no niainga saingy hatramin’izao dia tsy hita izay tena vokany. Mitabataba sy manakorontana ny fifantohan’ny mpianatra fotsiny indrindra amin’ny fotoanan’ny fanadinana nefa avy eo dia miverina miasa tampoka eo. Mahagaga ny vahoaka fa volana vitsy aty aoriana dia io fa miverina hatrany ny fitokonana.

Raha tena vonona ny hitaky ny zony ireo mpampianatra dia tokony manao izay fomba rehetra hahazoany izany mba tsy hiverenan’ny disadisa intsony fa tsy isaka ny fotoam-panadinana izao dia manondrana sy manala baraka ny tontolon’ny fanabeazana hatrany. Tsy mahagaga raha misara-bazana satria misy am-polony amin’izao fotoana izao ny sendikan’ny mpampianatra mpiasam-panjakana miara-manao ny fitakiana. Vao misy mahazo kely any ambadika any anefa dia mandao ny fitokonana ary lasa misolelaka amin’ny fitondram-panjakana indray. Mandainga izay mpampianatra milaza fa misy firaisankina tanteraka eo amin’izy ireo. Ny anton’izany dia tsotra : misy ireo tena mahay sy mendrika amin’ny fanatanterahana ny asany ka mahazo vokatra tsara ary hitan’ny lehibe izany ka mahazo izay takiany. Ao kosa ireo efa fahazarana fotsiny sisa ny asa fampianarana ka tsy te hahalala izay mba hoavin’ny zana-bahoaka. Tsy mahagaga raha tsy mety mandroso ity firenena ity satria ny hitsikitsika natao hivavahana indray no lasa voromahery mipaoka ny akoho kely. Ny mpampianatra tokony hananatra ny ankizy tsy ho tia korontana sy savorovoro no manome ohatra ratsy amin’ny fitabatabana sy ny fitarihana savorovoro eny an-dalam-be. Tadidin’ny rehetra tsara angamba ny fomba maharikoriko nanovàn’ireo mpampianatra ilay hira hoe “Oh I Oh, Tsy hampianatra izahay!” Tena fanopana ny zaza malagasy hoavin’ny firenena mihitsy ny fihetsika toy izany.

 

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre