Fenoarivo Atsinanana – Miahy ny zaza sahirana ny Croix rouge
Ankoatra ny vonjy aina dia miroso amin’ny tan-tsoroka sosialy fiahina ny zaza ihany koa ny Croix rouge malagasy any Fenoarivo Atsinanana. Nizara bodofotsy sy akanjo mafana ho an’ireo zaza vao teraka izy ireo ary nanolotra fanampiana ara-tsakafo ho an’ny zaza sembana ihany koa. Ankoatra izany dia nametraka tetikasa hanadiovana ny moron-dranomasina mba ho fiarovana ny tontolo iainana sy hiadiana amin’ny fiparitahan’ny loto mety hitondra areti-mifindra. Anisan’ny mampiavaka ny Croix rouge malagasy ny fanofanana ireo mpilatsaka an-tsitra-po ka ireny no mandray andraikitra avy hatrany rehefa misy ny ilan’ny sosialim-bahoaka azy. Tamin’ilay loza teny Mahamasina izao dia mpilatsaka an-tsitra-po miisa 25 eo ho eo no tena nanao ny ainy tsy ho zavatra nanavotana ny naratra satria tsy ampy isa ireo mpitsabo mpanampy izay mpiandry raharaha nanao ny asany.
Dom
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







