Vous êtes ici :

Lundi 20 Mai 2024

ombre

Befotaka – Tafaverina ny omby 220 isa, dahalo 5 maty

Raikitra ny fifampitifirana teo amin’ny zandary sy ny dahalo tany Befotaka ka dahalo miisa 5 no indray lavo ary omby 220 isa kosa no tafaverina amin’ny tompony. Nanafika tany Befotaka ireo malaso am-polony maro ary lasa nitondra ny omby avy norobainy nitodika nankany Midongy. Nifampiantso anefa ny zandarin’i Befotaka sy Midongy ka samy nandray andraikitra niroso amin’ny fisamborana ireo dahalo. Latsaka am-povoany ireto farany ary raikitra ny fifandonana mahery vaika satria samy tsy nifampitsitsy noho ny fananana fitaovam-piadiana tena matanjaka. Sendra ny nahay azy ireo mpangalatr’omby ka lavo ny dimy lahy ary rifatra nandositra ny ambiny.

Karazan’ny tena mihantsy ny mpitandro filaminana mihitsy ireo dahalo any atsimon’ny Nosy iny, satria taorian’ny fanambaran’ny Fanjakana fa hamafisina ny isan’ny mpitandro filaminana any an-toerana no nitrangan’ny fanafihana. In-droa miantoana ny fahatongavan’ny dahalo ka ny iray dia ny andron’ny 26 jona mihitsy ary nahazony omby an-jatony ; roa andro talohan’io kosa ny iray hafa. Efa teo am-panomanana ny tetikady rehetra anefa ny zandary tamin’izany fotoana izany ka nijabaka ireo olon-dratsy.

Misy milaza fa misy ifandraisany amin’ny raharaha politika mamaivay eto amin’ny firenena ny firongatry ny tsy fandriam-pahalemana tato ho ato. Tamin’iny faran’ny herinandro nankalazana ny fetim-pirenena iny mantsy dia am-polony ny olona maty voatsatok’antsy tamin’ny faritra maro, ary omby an-jatony ihany koa no very.

 

 

Dom 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre