Vous êtes ici :

Mardi 07 Mai 2024

ombre

Antananarivo – Mirongatra ny hala-jaza

Nalaza tampoka teo indray ny resaka manodidina ny hala-jaza taorian’ilay grenady nipoaka teny Mahamasina. Araka ny fantatra mantsy dia voalaza fa maromaro ny ankizy nanjavona tamin’io fotoana io. Nisy zazavavy vao 13 taona monja izao nambaran’ny reniny fa tsy hita popoka. Nisy hafa 3 taona ihany koa voalaza fa very. Ny polisy ao Mahamasina izay akaiky indrindra ny kianja nahaverezan’ireo ankizy anefa tsy naharay afa-tsy fitarainana iray ihany. Raha ny zava-nisy tamin’iny alahady 26 jona nihoson-dra iny tokoa mantsy dia zaza miisa 48 no nambaran’ny mpanentana teny ambony sehatra fa very ary miandry ny ray aman-dreniny ao anatin’ny trano lain’ny mpanakanto. Minitra kely talohan’ny nitrangan’ny fipoahana io filazana zaza very io ary inoana fa vitsy no nitady ny zanany satria rifatra nandositra nivoaka ny kianja ny rehetra raha vao raikitra ny savorovoro.

Manahy ny vahoaka, noho izany, sao nisy olona nanararaotra nangala-jaza tamin’iny andro iny. Fomba fanao maneran-tany rahateo ity halatra ankizy ity amin’ny vanim-potoanan’ny hotakotaka. Any Eoropa dia efa ankizy amana hetsiny no tsy hita nandritra ny fifindra-monina faobe izay efa nanomboka roa taona eo ho eo izao. Any Afrika sy Arabo ihany koa dia an’alina ny ankizy very taorian’ny ady nifanandrinan’ireo tafi-panjakana sy ny Fanjakana islamika. Toa mitovitovy amin’izany ny zava-nitranga teto Madagasikara satria nisy ankizy tsy hita faty tsy hita hoe nankaiza taorian’ny asa fampihorohoroana teny Mahamasina. Dia ho sanatria ve tafiditry ny tambajotra mpangalatra olona ihany koa i Madagasikara. Ny fanadihadian’ny mpitandro filaminana ihany no afaka hamaly izany fanontaniana izany.

 

Dom 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre