Ankazoabo – Nahazo efitrano 7 ny sekolim-panjakana
Zato taona taorian’ny nijoroany dia nahazo efitrano fampianarana miisa 7 ny sekolim-panjakana any Ankazoabo. Famatsiam-bola avy amin’ny Fid no nahazoana izany ka efitra 3 ho an’ny Epp ary 4 kosa ho an’ny Ceg. Hampitombo betsaka ny tahan’ny fidirana an-tsekoly any ankodahoda any ny fotodrafitrasa toy izao hoy ny mponina any an-toerana izay manantena fa haharitra hatramin’ny 100 taona manaraka avokoa ireo trano vaovao ireo. Matetika tokoa mantsy ny fotodrafitra ho an’ny sekoly toy itony dia lasa fidirambolan’ireo fikambanana kely mpijirika fotsiny. Maka fanampiana betsaka any amin’ny mpamatsy vola izy ireo saingy ny ampahany kely ihany no ampiasaina hananganana asa tandrametaka. Tsy ampy dimy taona dia mirodana ny sekoly vaovao ary kivy ny ray aman-dreny. Mbola olana iray amin’ny fahazoana efitrano vaovao ihany koa ny tsy fahampian’ny mpampianatra. Tsy misy mety mandeha any amin’ny tany lavitra andriana any mantsy ireo mpampianatra fonksionera be tabataba sy miady ny zony eto an-drenivohitra.
Dom