Ambatolampy – Sakanan’ny mpandrongony ny mpianatra
Mitaraina ny mpianatra ao amin’ny lisea Ambatolampy sy ny ray aman-drenin’izy ireo fa misy andian-jiolahim-boto manakana rehefa tratra harivariva. Mpandrongony sady mpivarotra rongony ireo voalaza fa manao izany ary eo ambony tonelina izy ireo no miandry ireo mpianatra mirava taratara. Izay tsy mividy rongony dia ampijalian’ireo jiolahim-boto ka mihorohoro ireo mpianatra. Hatramin’ny omaly dia tsy mbola nisy ny fandraisan’andraikitry ny mpitandro filaminana sy ny manam-pahefana manoloana ity raharaha ity. Mety hisy fiantraikany goavana amin’ny vokam-panadinana anefa izany satria rehefa tsy misy hiaro dia mety hivangabao ny mpianatra noho ny tahotra hody harivariva. Fantatra ihany koa fa misy mpivarotra rongony gaigilahy fanta-daza manaparitaka zava-mahadomelina manodidina ny lisea saingy tsy mbola nisy nisambotra izy io hatreto. Manao antso avo ny mba hisamborana ireo olon-dratsy ireo ny ray aman-drenin’ny mpianatra mba hisorohana ny zava-doza. Matetika mantsy dia miafara amin’ny vono olona sy fanolanana zazavavy hatrany ny resaka rongony tsy voafehy. Mitarika ny mpianatra handao ny fianarany ary hiditra amin’ny herisetra sy ny halatra ihany koa. Tsy any Ambatolampy ihany no miparitaka ny rongony fa saika amin’ny faritra rehetra manerana ny Nosy mihitsy. Na eto an-drenivohitra aza dia tsy vitsy ny fokontany ahitana mpandrongony any anelakelan-trano any nefa jeren’ny tompon’andraikitra fotsiny. Anisan’ny malaza amin’izany ny eny Ankadivato sy Ampandrana rehetra iny. Eny rahateo dia anisan’ny faritra mena amin’ny halatra sy fanendahana. Vao tsy ampy roa herinandro izay ny polisy no nitifitra nahafaty jiolahy mitam-piadiana miisa roa saika hanafika teny Ankadivato.
Dom