Vous êtes ici :

Jeudi 18 Décembre 2025

ombre

Vahoaka midororororo

Tena mora rebirebena sy fitahina ny vahoaka malagasy. Midororororo hoy ny fitenin’ny tanora. Betsaka ihany ny zava-nitranga sy nisongadina tamin’ny fankalazana ny fetim-pirenena nefa toa tsy misy mahataitra ny olona. Anisan’izany, ohatra, ny kabarin’ny filoha izay nilazany zavatra maro mikasika ny mety ho tohin’ny fomba fitantanany ny firenena. Teo ihany koa ny tsy fahatongavan’ireo filoha taloha teny Mahamasina, ary ny tsy fisian’ny mangaraharaha mikasika ny volabe nampiasaina tamin’ireny fetin’ny 26 jona ireny. Tsy mba misy manontany firy hoe mba ohatrinona marina moa izany no nolanian’ny Fanjakana tamin’ireny fety ireny dia ahoana ny fomba nitantanana azy. Volam-bahoaka anefa ireny ary mila saropiaro  amin’ny fananany ny malagasy. Ny mahasarika ny olona dia ny sary mananasy teo amin’ny akanjo nanaovan’ny vadin’ny filoham-pirenena. Misy milaza fa ratsy be ny didin’ilay akanjo. Misy miteny fa akanjo avo lenta sy lafo vidy avy any ivelany ilay izy ary sandaina any amin’ny 25 tapitrisa Ariary mahery any ny vidiny. Ny hafa kosa milaza fa efa misy hala-tahaka toy ilay akanjo ka sahabo ho any amin’ny 5 alina ariary any dia efa mahazo azy. Ankoatra ireo dia ilay sary mananasy teo amin’ilay akanjo no lasa resa-be nandritra ny herinandro. Nisy mihitsy nanangana gropy any amin’ny facebook mitondra ny anarana « gasy tia mananasy ». Ny hafa indray dia namorona tononkalo sy vazivazy isan-karazany. Raha fintinina dia variana amin’ny zavatra tsy misy dikany ny ankamaroan’ny malagasy ka tsy maharaka akory ny zava-misy marina eto amin’ny firenena. Na laisoa, na karaoty na zavoka sy akondro ary ny sary teo amin’ny akanjon’ny vadin’ny filoha dia azy izany. Na iray miliara ary no vidin’ilay akanjo dia tsy misy idiran’ny vahoaka izany raha toa ka tsy volam-panjakana no nanombinany nividianany azy. Raha hiady hevitra sy hitsikera izany ihany dia ny mangarahara mahakasika ny nampiasaina ny volam-bahoaka no tokony hangatahina. Toy ny hoe volan’ny filoham-pirenena mivady manokana tamin’ny karaman’izy ireo sy ny fihariana hafa tsy misy idiran’ny Fanjakana ve no nividianana akanjo lafovidy sa tao amin’ny kaontimbolan’ny 26 jona. Raha volany manokana mantsy dia tsy misy idiran’ny vahoaka mihitsy satria vidin-katsembohany no nampiasaina ary zony tanteraka izany. Vadin’ny filoha rahateo mila mampiseho ny hatsarany sy ny fahamendrehany ka tsy misy hadisoany mihitsy na kely aza ny manao izay hampisongadina azy. Ny didin’akanjo sy ny lokon’akanjo ary izay sary sy soratra eny aminy ihany koa dia mbola azy manokana ihany koa iny. Izay tiany ihany io hoy ny fitenenana. Raha volam-panjakana kosa no nanombinany dia tsy azo ekena ary mety hiteraka savorovoro satria tsy natao hiantoka izany ny vahoaka efa fadiranovana. Raha tena tia tanindrazana sy te handray anjara amin’ny fampandrosoana ny firenena ny vahoaka dia mila mitaky ny fisian’ny mangaraharaha hahafahana mijery ny fandanindaniam-poana ataon’ny mpitondra ary ampahatsiahivina azy ireo matetika fa misy manara-maso akaiky izy ireo. Tsy sanatria mandatsa ny maty fa tena mitombina ny fimenomenoman’ny olona tamin’ilay lozam-pifamoivoizana nahafaty mpihira malaza tany akaikin’Antsirabe vao tsy ela akory izay. Mahavidy fiara tsy mataho-dalana vaovao ny minisiteran’ny Fampianarana ambony nefa entin’ny tale manao fitetezam-paritra amin’ny fampisehoana ataony fotsiny fa tsy hanaovany ny asany. Ny mpianatry ny oniversite anefa tena mitrongy vao homana ary mandady vao mahavita fianarana tsy misy mpihaino na saika ho isan’andro vaky izao aza no mitaraina. Vao misy mitsingoloka ny tsy an-drariny toy izany dia hambolena resaka mananasy mba hanampenana ny zava-misy. Mbola ho ela isika vao handroso e !

 

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre