Vous êtes ici :

Jeudi 18 Décembre 2025

ombre

Manjakaray IIB – Ramatoa maty notifirin’ny jiolahy teo amin’ny fony

Namono olona indray ny jiolahy teto an-drenivohitra. Ramatoa iray monina eny amin’ny fokontany Manjakaray IIB no maty voatifitra nandritra ny fanafihana afak’omaly maraim-be. Voatifitra teo amin’ny fony ity renim-pianakaviana ity ka maty tsy tra-drano. Araka ny fantatra dia mpivarotra ilay tokantrano voatafika ka lasan’ireo olon-dratsy ny vola rehetra sy ny talefaonina tao an-trano. Maneho ny tsy fisain’ny fandriampahalemana eto Madagasikara ity tranga ity satria dia eto an-drenivohitra mihitsy no misy jiolahy mitam-piadiana afaka manafika trano sy mamono olona nefa tsy misy mahasakana. Fokontany iaraha-mahalala fa tena faran’izay mafana sy anjakan’ny sotasota  sy ny halatra izany Manjakaray izany nefa mahagaga fa tsy misy ny fandraisana fepetra manokana ataon’ny tompon’andraikim-panjakana mba hiarovana ny vahoaka. Ankoatra ny fanendahana sy herisetra izay saika misy hatrany isan’andro dia fantatra fa eny Manjakaray ihany koa no tena fiafenan’ireo olona kilasian’ny mpitandro filaminana ho mampidi-doza ary namoahana didy fampisamborana. Raha tsiahivina dia teny manjakaray no voasambotra i Stephanie, ilay sinoa vavy voalaza fa gadra nandositra sy voarohirohy tamin’ilay raharaha fakana an-keriny tany Toamasina.

Mandry andriran’antsy ny mponina rehetra eto an-drenivohitra amin’izao fotoana izao satria ireo mpitoraka grenady tsy mbola voasambotra akory nefa ny fanafihana mitam-piadiana manomboka mirongatra be indray. Ny zavatra hita aloha, ho an’ireo tratra alina, dia zara raha ahitana mpitandro filaminana eto an-drenivohitra amin’ny alina. Raha ny tokony ho izy anefa amin’izao tany tsy milamina izao dia tokony ahitana polisy avokoa ny sampanan-dalana rehetra hahafahana miatrika hainga ny fanafihan-jiolahy any anaty tanàna any.

Dom 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre