Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Bypass – Mpamily kamiao tototry ny simenitra

Roalahy nitondra kamiao no tototry ny simenitra an-taoniny afak’omaly teny amin’ny lalana Bypass. Raha ny fanazavan’ireo nanatri-maso dia vaky kodiarana teny am-pandehanana io fiarabe io ka nitsoraka tao anaty hantsana kely teo akaiky teo. Ny lohan’ilay fiara mihitsy no nitsatoka ka tsy tafavoaka tao izy roalahy raha tsy nifamonjen’ny olona noesorina ireo lasaka an-jatony. Tsy nisy ny aina nafoy tamin’ity loza ity saingy naratra ireo nitondra ny kamiao. Nanafintohina izay nahita ny vaovao niparitaka tamin’ny tambazotram-pifandraisana , ny fialangalan’ireo vatan-dehilahy maro nanatri-maso izay nibikabika toy ny manam-pahefana fotsiny fa tsy mba nanome tanana nifandrimbona nanala ireo simenitra. Amin’ny tranga toy itony dia saika ireo heverina ho mafiady sy vahoaka madinika hatrany no manao vy very ny ainy manavotra ireo tra-doza ary tsy mitady tambiny akory amin’ny asa soa ataony. Ireo mihevi-tena ho manan-katao kosa dia misomebiseby sy maka sary fotsiny no ataony ary avy eo manakihana ireo mandray andraikitra.

Misy loharanom-baovao iray hafa milaza fa vokatry ny vesatry ny entana nentiny no nampitsoraka ilay kamiao tao anaty hatsana. Heverina ho nihoatra ny lanja tokony ho zakan’ilay fiara ireo simenitra ka izay no nampivilavila ilay kamiao ary avy eo nahavaky ny kodiarana iray eo aloha. Na inona na inona zava-nitranag dia tsy azo iadian-kevitra fa vokatry ny tsy fahatomombanana teknika no nahatonga ny loza. Tsy voara-maso mialoha ny rivotry ny kodiarana, na ihany koa ilay izy mihitsy no efa sola sy ratsy ka tsy mahazaka ny vesatra entin’ny fiara intsony dia nipoaka.

 

Dom 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre