Boriboritany fahatelo – Mitohy ny fandraofana fiara eny amin’ny sisin-dalana
Tao anatin’ny iray volana dia tsy latsaka ny 4 ny fiara noraofin’ny kaominina teny Antaninandro sy ny manodidina. Omaly izao dia fiara Peugeot 405 iray indray no lasan’ny « Etsy babeko ». Nijanona teo amin’ny sisin-dalana io fiara io. Niezaka niantso ny tompony ihany ny manodidina fa tsy nandray telefaonina ka dia nobatain’ny kamiao be an’ny kaominina ilay izy. Araka ny fantatra dia manao fanadiovana ny sisin-dalana amin’ny fanesorana ireo fiara ratsy be sady tsy mandeha mihitsy ka sady manelingelina ny fifamoivoizana no manaratsy endrika ny tanàna ny kaominina. Ny mponina izay tsy mahalala dia mitantara fa misy mitsikilo mialoha ireny fiara horaofina ireny. Izany hoe misy mpiasan’ny kaominina mody mandalo nefa maka ny laharan’ireo fiara izay heveriny fa tokony hoesorina. Ny eo anivon’ny kaominina kosa dia nanazava fa efa nisy fifampierana tamin’ny fokontany izay nanome ny lisitr’ireo fiara mibahana fotsiny.
Amin’ny ankapobeny dia mahafaly ny mpandeha an-tongotra sy ny mpitondra fiara ny fanesorana azy ireny satria mibahana sady tena manelingelina. Ny mahagaga ny vahoaka fotsiny dia tsy ireo fiara miakatra eny ambony lalan’ny mpandeha an-tongotra no esorina fa ireo ao anaty arabe tokony hahafahana mijanona. Tsy misy takela-by mandrara ny tsy fahafahana mijaona rahateo eny an-toerana. Misy milaza fa tafiditra amin’ireo faritra mety hamidin’ny kaominina amin’ny Easy Park ny fiantsonan’ny fiarakodia amin’ny fokontany maro ao anatin’ny boriboritany fahatelo. Mety amin’ny tompona fiara eny amin’ny fokontany raha toa ka misy izany tetikasa izany saingy mangataka ny hisian’ny mangaraharaha kosa ny vahoaka.
Dom
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







