Antsirabe – Manampy ny mpianatra ny marokanina
Tsy hadinon’ny Fanjakana marokanina mihitsy ny fandraisan’Antsirabe ny mpanjakany izay natao sesintany tamin’ny taona 1954. Mampifamatotra ny tantaran’ny firenena roa tonta io zava-nitranga io. Saika ho isan-taona ny marokanina dia tsy manadino fa manao asa soa ho an’ny vahoakan’Antsirabe hatrany. Tamin’ity herinandro ity dia ankizy miisa 800 ao an-drenivohitr’i Vakinakaratra no nozaraina fitaovam-pianarana, ireny antsoina hoe « kit scolaire » ireny, ka ny masoivohon’i Maroka mihitsy no tonga nanolotra izany tany an-toerana. Ankoatra ireo dia nilaza ity diplaomaty vahiny ity fa mbola hanangana trano ho an’ny seloky fanabeazana fototra ary hanampy amin’ny fanamboaran-dalana ihany koa. Misy tetikasa izay hanaovana tanàna mpirahavavy an’Atsirabe sy Marakech any Maroka ihany koa ato ho ato. Tombony lehibe ho an’ny renivohitr’i Vakinakaratra izany tetikasa izany hoy ny tompon’andraikitra any an-toerana.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







