Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Analakely – Nidoboka ilay mpanala arendrina

Tranga hafa kely sady nampalahelo ary nahatsikaiky ny zava-niseho teny Analakely ny alarobia lasa teo : nidoboka avy eny amin’ny 5 metatra ny lehilahy iray mpanala arendrina. NIfarana io alarobia io tokoa mantsy ny fotoana nandraisan’ny araben’ny fahaleovantena ny fihetsiketsehana manodidina ny fankalazana ny fetim-pirenena. Roso tamin’ny fanesorana ireo trano heva sy haingon-tanàna, noho izany, ny mpiasan’ny kaominina. Anisan’ny nandravahana iny hetsika iny ny arendrina maroloko izay nihantokantona tamin’ny tady manerana ny araben’ny fahaleovantena. Nipetraka tamin’ny andrin-jiro ireo tady satria nampiasa tohatra ilay mpiasan’ny kaominina tamin’ny fotoana saika hanesorana ireo arendrina. Tampoka teo anefa dia izy efa nidoboka tamin’ny tany no nanaitra ny maro izay tsy mba nanavotra fa nihomehy ny ankamaroan’ireo nanatry maso. Ratra maivana no nahazo ilay nianjera ary afaka nanohy ny asany avy hatrany izy rehefa naka aina kely. Nambarany fa nisolifatra ilay tohatra niakarany satria tsy nipetraka tsara no tsy nisy nitazona ihany koa.

 

Dom 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre