Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Nampidirin’ny loholoha kizo !

Nijabaka indray ary namboly fankahalana vaovao ho azy ireo ny fitondram-panjakana ankehitriny noho ny nataon’ny Loholona. Ireo senatera mantsy no nifidy sy nampandany ilay lalàna mifehy ny serasera na dia efa nilazan’ny mpanao gazety mialoha ny zava-doza haterak’izany aza. Mody noraisina ny mpanao gazety ary avy eo tsy nasiana sira ny fanazavana sy ny antontan-taratasy napetraka teny Anosikely fa nolaniana ihany ilay lalàna mifono fitaka sy fanapotehan’ny fahalalahana haneho hevitra. Efa nazava ny tenin’ny Filohan’ny Antenimierandoholona taorian’ny fahalanian’ilay lalàna fa tsy mankasitraka velively izany fanagadrana mpanao gazety izany ny tenany. Nambarany tamin’ny adihevitra tao amin’ny Tv Plus fa efa misy kaomisiona manokana miandraikitra ny resaka serasera ao amin’ny lapa misy azy ka izay heverin’io kaomisiona io fa mety dia nolanian’ny be sy ny maro avy eo. Karazan’ny voafitaka ihany ve izany ny ankamaroan’ny loholona. Ny Filoham-pirenena ihany koa dia efa nilaza fa izay tapaky ny mpanao gazety sy ny mpiantsehatra rehetra namolavola ilay lalàna ihany no neken’ny fitondram-panjakana. Ny praiminisitra indray dia nanome toky ny tompona gazety rehetra fa tsy nisy novana ilay lalàna niaraha-namolavola sy nifanarahana. Iza izany no nampiditra ilay fanagadrana tao ? Mila mamoaka ny mangarahara ny mpitondra fa tsy mifanilika andraikitra hahitana izay tena fositra miteraka izao savorovoro izao satria lasa manaratsy endrika ny Fanjakana izay efa sokajian’ny maro an’isa ho mitady haka tahaka ny didy jadona any Korea avaratra.

Hadisoana goavana mety hisy fiantraikany ratsy amin’ny fitondram-panjakana anefa ny nahalanian’ity lalàna ity teny amin’ny senatera satria tena niteraka fankahalana mpitondra avy amin’ny vahoaka mihitsy. Ny iray ampahatelon’ireo loholona anefa dia olona notendren’ny filoham-pirenena ary ny ambiny dia olon’ny Hvm avokoa satria Tim iray ihany tsy afa-manoatra ary ny Mapar iray efa natao izay handosirany kinanjo izao niteraka loza ho an’ny mpitondra izao ny fanapahan-kevitr’izy ireo.

Raha tsy nolanian’ny loholona iny lalàna iny dia tsy ho tonga amin’izao ny zava-misy. Voatery hitady hevitra hamonoana afo vaovao indray ny mpitondra satria tena tofoka sy mampiaka-peo ny vahoaka amin’ny fanapenam-bava sy ny didy jadona tadiavina hapetraka eto. Efa tsy mahazo manao fihaonana an-dalambe intsony ny olon-tsotra dia tsy hahazo haneho hevitra amin’ny tambazotran-tserasera ihany koa. Ny mpanao gazety dia iharan’ny fandrahonana ankolaka samihafa amin’izao fotoana izao. Mandainga ary mpila ranondranony izay mpanao gazety matihanina sahy milaza fa malalaka ity asa ity. Isika eto amin’ny bala dia afaka manaporofo fa saika ho isan’andro dia misy milaza ho tompon’andraikitra ambony miantso sy mandrahona an-kolaka noho ny fomba fijery nosoratana ka tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’izy ireo. Tsy mbola malalaka ny asa fanaovan-gazety sy ny fanehoan-kevitra eto Madagasikara ary mbola misy sivana hita mibaribary. Porofo akaiky amin’izany ny zava-nitranga tamin’ilay asa fampihorohoroana teny Mahamasina ny 26 jona lasa teo. Tsy nasian’ny televiziona nasionaly resaka mihitsy ilay izy raha tsy ny ampitso nefa ny Tvm nandefa mivantana ny fety ary nahita maso ny zava-nitranga teny. Mody nototofana tamin’ny kabary teny Iavoloha sy ny matso teny Mahamasina ny vaovao ary tsy noresahina akory ilay baomba teny Mahamasina raha tsy ny ampitso. Tsy ny mpanao gazetim-panjakana akory no vendrana sanatria fa misy toromarika tsy ahafahan’izy ireo nandefa ilay vaovao matoa tsy noresahiny. Izahay ihany koa dia mahazo vavabe sy ny fandrahonana fa hotoriana sy hogadraina foana matetika eo am-panatanterahana ity asa ity. Tsy azo ekena kosa izany fandrahonana hanagadra lava izany rehefa misy tsy levon’ny vavonin’ny manam-pahefana ny marina avoaka. Tsy mpamono olona ny mpanao gazety, na mpampihorohoro, na nanodikodina volam-panjakana, na mpanao kolikoly, na mpanondrana andramena, na mivarotra tanindrazana vahiny, na mpanolana zaza tsy ampy taona,…izany hoe tsy olon-dratsy ka rahonana ho gadraina lava izao. Efa mahatakatra izany ny vahoaka rehetra ary manohana avokoa ny hamafana tsy misy fepetra ilay lalàna mampigadra ao anatin’ny lalànan’ny serasera. Fetsy ny depiote nampihemotra ny fandaniana ilay lalàna na dia hita aza fa mampifilafila sy karazan’ny nanaovana tery vay manta mihitsy vao nandray izany fanapahan- kevitra izany.

 

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre