Asan-dahalo – Mitohy ny fanakanan-dalana
Mitohy hatrany ny asa ratsin’ireo dahalo any amin’iny lalam-pirenena Rn7 iny. Taksiborosy maromaro avy aty Antananarivo hihazo an’i Toliara indray no lasibatr’ireo dahalo mpanakan-dalana ny sabotsy vao maraina, tokony ho tamin’ny 1ora, tany Atsimon’ Ivato afovoany, manodidina an’Ankotsaka. Ankoatra ny vato be nilahatra teo ampovoan-dalana dia niraradraraka ny torabato nataon’ireo olon-dratsy mba hanakanana ireo fiara. Tsy nampoizin’ireo malaso anefa fa nisy fitaovam-piadiana ny fiara voalohany. Nanao tifi-danitra avy hatrany ny olona iray nanana basy tao amin’ilay taksiborosy voalohany ka vaky nandositra tany anaty ala tany ireo dahalo. Noho izany tsy nisy ny aina nafoy na naratra ary tsy nisy ihany koa ny entana lasa fa ny « aile » sy fitaratr’ilay fiara no simba sy vaky noho ireo tora-bato.
Tsy afa-niala kosa ny tany amin’ny Rn2
Raha toa ka afa-niala ireo dahalo tamin’ny alalan’ilay tifi-danitra nataon’ny mpandeha tao anaty fiara tany amin’ny Rn7 dia tsy mba tahaka izany kosa ny mpamily fiara marika Peugeot 206 tany amin’iny lalam-pirenena Rn2 iny. Mbola ny marainan’ny sabotsy teo ihany no nitrangan’izany, tamin’ny 2ora sy 30mn tany amin’ny lalam-by Brickaville. Nidiran’ireo dahalo an-keriny avy tao amin’ny “male arrière” ny fiara ary avy dia nanambana antsy ilay mpamily. Niezaka nanitsaka mafy ny hafainganam-pandeha ihany ny lasibatra saingy noho ny hatairana be loatra dia tsy nahita intsony ny fiara teo alohany ka nifandona tamin’ny taksiborosy nifanena taminy. Noho ny fifandonana mafy loatra dia vaky tampoka ny kodiaran’ilay Peugeot 206 ka nijanona tsy nahy. Nanararaotra amin’izay ireo dahalo naka ny zavatra rehetra tao anatin’ilay fiara, araka ny loharanom-baovao. Ary tampoka teo dia feno andian’olona nitorabato nivoaka avy any anaty ala-pary ka nirifatra nitsoaka ilay taksiborosy. Mila mailo noho izany ireo mpandeha fa tena efa tsy milamina avokoa ny lalam-pirenena rehetra.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







