Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Haintrano – Trano hazo iray kilan’ny tany Ambolomadinika

Nitrangana haintrano mahatsiravina tany an-tampon-tanànan’i Toamasina, ny alin’ny sabotsy 2 hifoha alahady 3 jolay, tamin’ny 11ora sy sasany. Trano hazo iray miorina any Ambolomadinina vakim-paritra 13/21 fonenan’ny ankizy efatra mianadahy manovo fianarana any an-toerana no kilan’ny afo tsy nisy niangana mihitsy. Tsy fantatra izay nahatonga ny loza fa efa afo miredareda avy eny ambony tafo no tsikaritr’izy mianadahy. Jiro solitany no ampiasain’izy ireo saingy nanamafy kosa izy ireo fa efa maty ny afo tamin’io fotoana io. Hatairana ny an’ireto mpianatra raha nahita ny afo nijoalajoala ka tsy nisy naharay entana fa samy nanao izay nahatafavoaka tao izy ireo. Nampandre ny mpamonjy voina avy hatrany ny manodidina raha vao nigadona ny afo. Tonga ara-potoana teny an-toerana ireto farany saingy tsy tafiditra tany an-tanàna mihitsy noho ny hateren’ny lalana. Vokany, kila forehitra avokoa ny entana rehetra tao an-trano, isan’izany ny kahie sy ny fitaovam-pianarana maromaro, ny kidoro, vola mitentina 50 000 ariary, vary roa gony sy ny maro hafa.

 

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre