Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Rn9 – Zazalahy 17 taona maty nitsahin’ny fiara

Zazalahy iray 17 taona no niharan-doza, tany amin’ny lalam-pirenena Rn9 raha nikasa hody haka ny saram-pianarany tany amin’ireo ray aman-dreniny, hiatrehana ny fanadinana famaranana, ny sabotsy lasa teo. Nitaingina bisikileta moramora hihazo an’Antanimieva ilay tovolahy no nofaohan’ny fiara iray manamboatra lalana nony tonga tany amin’ny lalana Ankorondamoty, kaominina Ankililoaka. Mafy ny dona nahazo azy ka maty tsy nialana nenina akory. Marihina fa mpianatra ny sekoly katolika ilay niharam-boina ka nidina teny amin’ny toerana nisian’ny loza niaraka tamin’ireo mpitandro filaminana ireo mompera tompon’andraikitra voalohany any amin’ilay sekoly sy ny fokonolona. Taorian’ny fizahana natao dia nentina nihazo ny tanindrazany any Antanimieva ny razana. Ilay mpamily nahavanon-doza kosa efa eo am-pelatanan’ny zandary.

L. N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre