Toamasina – Mpangala-jaza niharan’ny fitsaram-bahoaka
Hitady hahazo vahana ny hala-jaza any an-tampon-tanànan’i Toamasina. Efa tsy menatra intsony ireo olon-dratsy misintona ireo zaza eny am-pelatananan’ireo ray aman-dreniny mba hahafahana manatanteraka ny filan-dratsiny. Toy ny tranga niseho tany amin’ny fokontany Andranomadio, ny harivan’ny 30 jona, tamin’ny 6ora sy sasany. Zaza menavava iray eny an-tsandrin-dreniny no nisy nanao sinto-mahery teo amin’ny lalana mitsofoka eo amin’ny « Melissa ». Tsy nampoizin’ilay renim-pianakaviana ny tranga niseho saingy tsy nanaiky lembenana kosa ny tenany. Raikitra noho izany ny fifampisitomana ilay tsy mana-tsiny teo amin’ny lasibatra sy ny mpangalatra. Sady niantso vonjy ihany ilay vehivavy nandritra izany ka voavonjin’ny fokonolona izy mianaka ary mbola tratra koa ilay nikasa hangala-jaza. Tsy namelanan’ny fokonolona fa nampiharana avy hatrany ny fitsaram-bahoaka. Nandritra izay ihany koa nisy ireo nampandre ny mpitandro filaminana ka tonga ara-potoana teny Andranomadio ny Emmoreg nisambotra ilay jiolahy. Efa eo am-pelatanan’ireo manam-pahefana ny raharaha.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







