Vous êtes ici :

Samedi 18 Mai 2024

ombre

Fampandrosoana tsy maika !

Mitombo hatrany ny tranga maneho fa tsy maika amin’ny fanatanterahana ny asa fampandrosoana an’i Madagasikara  ny ankamaroan’ireo manam-pahefana eo anivon’ny fitondram-panjakana fa mangatak’andro lava izao. Porofo iray amin’izany ny fiantsoana tsy ara-potoana eny amin’ny parlemanta. Telo volana ny Loholona sy Solombavambahoaka no nivory mba handany volavolan-dalàna nefa ny ampahany betsaka tamin’izany fotoana izany lany tamin’ny fivezivezena teny an-dapa fotsiny. Tsy ry zareo no kamo na manao kitoatoa ny asany fa ny volavolan-dalàna hofidiana no tara loatra vao voaray. Inoana aza fa nisy tsy tafiditra teny mihitsy noho ny fitavozavozan’ny Governemanta. Tsy asa soa anefa no ataon’ny solombavam-bahoaka sy ny loholona fa andraisan’izy ireo karama sy tambin-karama ary tombontsoa betsaka izay tsy maintsy hoefaina amin’ny volam-panjakana. Navela hihainohaino fotsiny ireo parlemantera nefa omena vola isan’andro dia avy eo nony injay tapitra ny fotoam-pivoriana ara-potoana dia nampiana tsy ara-potoana.

Tsy zava-baovao ity tranga ity na ihany koa hoe nisy ankamehana tsy nampoizina fa efa fanaon’ny mpitondra ankehitriny hatramin’ny niantombohan’ny Repoblika fahefatra. Tsy mahavita manaja ny fe-potoana sy tetiandro voafaritra hifidianan’ny fahefana mpanao lalàna ny volavolan-dalàna arosony mihitsy ny fahefana mpanatanteraka ka zary lasa ny vahoaka sy ny firenena iray manontolo no voasazy. Tena sazy satria volabe tsy toko tsy forohana no laniana amin’ny fiantsona fivoriana tsy ara-potoana toy izao. Ny ankamaroan’ireo lalàna mivoaka eo anefa dia matetika tsy misy fampiharana azy akory na ihany koa tsy eken’ny sehatr’andraikitra tandrify azy noho ny fisian’ny kajikajy politika tsy mazava ao anatin’ilay lalàna. Anisan’izany, ohatra, ilay fananganana ny fitsarana manokana manasazy ny mpanondrana harem-pirenena, indrindra ny andramena. Ny fiarahamonina sivily miasa sy miantsehatra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana no tena nangataka ny fananganana io tribonaly manokana io nefa nony injay navadika ho lalàna izany ary nekena ny hananganana azy dia ry zareo indray no tsy manaiky. Mazava ny anton’izany satria misy tsy mazavazava sy novaina tao anatin’ilay lalàna nolanian’ny parlemantera. Mbola mitana ny sain’ny maro ihany koa ilay lalànan’ny serasera sy ny fifandraisana izay miteraka resa-be eny anivon’ny vahoaka rehetra fa tsy ho an’ny mpanao gazety manokana ihany. Ny mpiantsehatra eo amin’ny tontolon’ny serasera sy ny fifandraisana mihitsy no namolavola sy niady amam-polo taonany vao tonga amin’ny fandrafetana ilay lalàna nefa ankehitriny dia nitaky ny tsy handaniana azy io indray. Tsy filam-baniny sanatria fa nisy novain’ny mpitondra Fanjakana ilay lalàna nefa tsy nifampierana ka ny fitaovana natao hiarovana ny fahalalahana maneho hevitra indray no mitady ho lasa fandrika sy famoretana mba hampihemotra ny demokrasia sy ny zo  hiteny.

Ny toy izany no ahitana fa misy tsy mandeha ao anivon’ny fitantanan-draharaham-panjakana ao saingy ezahina sarotsaromana amin’ny fihetsiketsehana sy adihevitra tsy mitondra mankaiza etsy sy eroa. Tsy voatery hoe ny tompon’andraikitra ambony rehetra sanatria no tsy mahay ny asany, saingy hita kosa fa misy sokajin’olona tena manao izay hambolena korontana eo amin’ny vahoaka sy ny fitondram-panjakana mihitsy eto. Tsy ny mpanohitra na ny sendikalista izay mitaky ny hialan’ny mpitondra no tena mpamboly disadisa eto fa ireo olona sasantsasany manam-pahefana ary manao ny fomba rehetra hankahalan’ny vahoaka ny mpitondra. Anisan’izany fomba izany ny fanovàna volavolan-dalàna tsy nifampierana izay miteraka olana matetika eny anivon’ny parlemanta.

Marina anefa ny tenin’ny Filoha fa tena vato misakana ho an’ny asa fampandrosoana ny disadisa sy ny tsy fahamarinan-toerana politika. Olona tsy maika handroso sy hampandroso izay rehetra rangory fototry ny afo mampirehitra ny disadisa rehetra amin’izao fotoana izao. Raha tena mila fitoniana ny mpitondra dia mila mamitram-pihavanana amin’ny vahoaka. Ny famelana ny olona hiteny, hitaraina sy haneho hevitra ary fanatanterahana ny hetahetan’ny besinimaro ihany no fomba mahomby indrindra hakana ny fon’ny vahoaka. Tsy mila hery famoretana, tsy mila fampanantenana, tsy mila fametraham-pialana fa henoina fotsiny izay angatahan’ny vahoaka dia valiana amin’ny asa vita dia milamina ny raharaha.

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre