Vous êtes ici :

Samedi 20 Décembre 2025

ombre

Mitsinjo – Jiolahy iray matin’ ny fokonolona

Nitrangana fanafihan-jiolahy tany amin’ny distrikan’i Mitsinjo ny 1 jolay lasa teo, tamin’ny 8ora alina. Toeram-pivarotana toaka iray miorina ao amin’ny toerana atao hoe Mangatsiaka, kaominina Antongomenabevary no notafihan’ny jiolahy miisa 2. Efa nihidy ilay toerana fivarotana tamin’io fotoana io ary tsy misy miambina ihany koa. Saingy teo am-pamakiana ilay toerana indrindra izy ireo no tratran’ny fokonolona, izay tena tsy nampoizin’ireo olon-dratsy mihitsy. Raikitra àry ny fitsaram-bahoaka ka tsy namelan’ny olona mihitsy raha tsy namoy ny ainy. Vokany, maty noho ny kapoka mafy nahazo azy ny iray, naratra mafy kosa ny faharoa. Efa eo ampelatanan’ny zandary ny raharaha.

L.N

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre