Belo Tsiribihina – Nanjavona ny omby efatra tao am-bala
Miverina amin’ny heriny indray ny tsy fandriam-pahalemana any amin’ny distrikan’i Belo Tsiribihina amin’ izao fotoana izao. Mandry tsy lavo loha ireo mponina amin’ny afitsok’ireo dahalo. Saika ho isan’andro izao dia ahitana omby very foana. Ny 30 jona lasa teo, tamin’ny 10ora sy sasany alina, dahalo maromaro nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika no nanafika ny fokontany Ankiraraka, kaominina Tsarahotana tamin’io fotoana io. Nirefodrefotra ny poa-basy nentina nampitahorana ireo lasibatra ka lasa ny omby miisa 4 tao am-bala, izay tantsaha iray ao an-toerana no tompony. Mbola nanao tifi-danitra koa ireo olon-dratsy nivoaka ny tanàna ka tsy nisy sahy nivoaka nanohitra azy ireo. Rehefa lasa elaela ireo mpangalatra izay vao nampandre ny mpitandro filaminana. Nidina teny an-toerana avy hatrany ireto farany nanao ny fizahana ary niroso tamin’ny fanarahan-dia niaraka tamin’ny fokonolona nanaraka ny dian’omby izay nianatsimo Antsinanana. Nifanehitra ny roa tonta ary raikitra ny fifandonana avy eo. Vokany, omby 3 no raraka ka naverina amin’ny tompony. Mitohy ny fanarahan-dia.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







