Toliara I – Nijoalajoala ny afo tao amin’ny tranon’i Camille Vital
Nijoalajoala ny afo tany amin’ny fokontany Andaboly, kaominina sy ditrikan’i Toliara I, ny 1 jolay lasa teo, tamin’ny 9ora alina. Trano iray an’i Praiminisitra teo aloha Camille Vital, hofain’ny teratany vahiny no hotohoton’ny afo vokatry ny fipoahan’ny herinaratra. Nisahotaka ny tompon-trano sy ny manodidina vao nahita ny lelafo. Tsy nahavimbina na inona na inona intsony ny niharam-boina rehefa nivoaka ny trano fa samy niezaka nanavotra ny ainy.
Teo anelanelan’izay dia efa niantso ny mpamonjy voina sy ny mpitandro filaminana ireo mponina mba hamono ny afo. Tonga ara-potoana teny an-toerana avokoa izy ireo nanao ny asany. Vetivety dia voafehy ny afo ary tsy nisy fahasimbana ankoatra ny valin-drihana. Tsy nisy ihany koa ny aina nafoy fa ny tanan’ny tompon-trano no nisy naratra. Efa eo ampelatanan’ny mpitandro filaminana ny raharaha ary efa mandeha manaraka izay ihany koa ny fanadihadiana.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







